Sombin-tantara "Tiako foana ianao" (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako foana ianao

Rado a, fa maninona anao kay izaho;inona kay ny zavatra tsy nety nataoko ka hanilikilianao ahy toy izao,teneno fa vonona hiaino anao aho!
Sa tsy tia ahy intsony Rado? tsy tia ahy intsony ve hoy aho Rado?lazao moa e, Mitebiteby be aho sao tsy tia ahy intsony ianao.
Hoy i Rado namaly azy, ah ah ah! Aza rebirebenao aloha ny saiko ry Ony a, zavatra hafa mihintsy no alehan'ny saiko izao fa tsy izany, Ary miangavy anao aho atsaharo izany resaka izany.
Izay fa aleo aloha izaho haka rivo-drivotra kely mihintsy hanalako izany;
Eny ar e, hoy i Ony
Fa maninona ary i Rado no lasa miady saina be tahak'izao e, nefa anie tsy mba fanaony izao ary vao androany dia androany aho no nahita sy nahatsapa izany: Hoy i Ony tany an-tsainy tany.
Ny hampitso maraina
Rado a, Radooo, mifohaza, Rado ho aho mifohaza ,fa angaha ianao tsy hiasa efa amin'ny 6h anie izao e,
Tsy mba fomban'i Rado mihintsy izao ka, marina e.
Hoy i Ony tany an'eritreritrany ka nahavaka ny sainy te ahafantatra ny marina izy
Rado a, fa inona no mahazo anao e?
Misy zavatra hafeninao amiko mihintsy: aiza ve ka tsy tsaroanao akory ny misakafo tamin'ny alina, fa toa dia ny fandriana no vonjenao; isan'andro ianao vao tonga dia manoroka ahy, rehefa atory dia manome ahy teny mamy.
Fa izao koa, toa dia matory fotsiny amin'izao, ny maraina aza moa tsy miraharaha izay hiasa mihintsy, tsy azoko mihintsy ka, fa aona ry Rado a? Misy inona loatra?
Leo be aho ka: hoy i Rado
Isan'andro vaky izao ve rangaha dia fanontaniana miverimberina foana no miatra amin'ny tenanay, inona e, inona e,mananina e,mananina e, mankaleo anahy, izany raha tsy dilo mihintsy ny sofiko marina; ary ao ianao handehanako fa tsss,be serimona fotsiny itony, mankaleo.
Rado a, Radoo, Fa ho aiza ianao e,
andraso aloha e, Rado a
nirintona fotsiny izy marina.hoy i Ony
fa inona kay no mahazo an'iny vadiko iny marina, tany an'eritreriny.
Hoy i Rado tany an-tsainy sy teny andalana: Ianao indray aloha ry Ony dia tsy hatakaloko an'i Anjara izany e,
vehivavy tsara toetra, tsara fanahy, bikana endrika amam-batana; sambatra mihintsy aho manana anao ry Anjara a,marina moa e
Dia izao foana izany no iainako ato an-trano ato, tsisy filaminana, tsy teny mamy sy tambitamby, korontana lava izao foana; leo aho, marina e: hoy i Ony sady nampirin-trano ny tovovavy.
I Rado sy Anjara kosa variana mividy kiraro sy ankanjo teny an-tsena.
Anjara a, jereo izay tena tianao fa vidiko
Eny moa akia, hoy ny Anjara.
Fa aiza foana ary i Rado no mbola tsy tonga foana; nefa anie mirava amin'ny 4h zareo raha tsy diso aho, ity andro anefa efa amin'ny 6h30mn, marina e, hoy i Ony no mitaha-takolaka fotsiny.
Anjara ô, tiako moa ndry ô,hoy i Rado sambatsambatra ery eo anilan'i Anjara
Eny moa akia Rado malala a,hoy Anjara tampi-angolangola.
Tsy rariny loatra izao marina mafy e, efa amin'ny 7h ariva marina, hoy Ony ary tapaka ny heviny fa ho tsenainy any i Rado:
Efa tsy rariny intsony izao fa aleo ho tsenaiko any an-dalana any,
Tampokatampoka teo anefa nisy olona 2 nifampisakambina ary mifamipihina tazany.
Tsy i Rado ve ity miaraka amin'ny vehivavy ity,marina e, aleo aloha hikisahana atsy ambadikiny tamboho atsy: dia eo no diniako ny hendriny; hoy i Ony tam-patairana
I Rado sy i Anjara kosa mitositosy ery no sambatsambatra tokoa miara-dia,
Tena i Rado ity marina, tsy nampoiziko, tena tsy vanona eo ry Rado a, tsy vanona, hanody anao izao ataonao ahy izao; hoy i Ony no sady latsa-dranomaso no nalahelo.
Aleo rangaha antsoiko a, nefa sao dia hampitombo ny aretiko-po eo indray anefa: aleo any an-trano miresaka fa aleo aho hamonjy fodiana haingana mba tsy ho izy indray no ho tonga any alohako; hoy i Ony no nitomany, nifendrofendro namakivaky dia-tongotra nody.
Noho ny tonga tany an-trano ary i Ony dia tonga koa i Rado.
Fa izao ve vao miditry ny ry tale a, izao vao nateriny madama a?
Hoy i Ony
Maninona hoe ry Ony?
Avereno kely hoe ity vavanao?maninona?maninona hoe?
Hoy i Rado,vahotra no tezitra koa
izao ve ho aho tale vao ateriny madama e..hoy i Ony no sady nitsiky, nefa tezitra feno fankalana tanteraka.
Izaho aza mba hanihaniana ry Ony a, fa tsy zazakely aho akory. Hoy i Rado
Eny ho aho e, hoy i Ony
tsy vanona ianao ry Rado a, dia sahinao? Tena tsy vanona ianao,fitahanao aho, nampirafesinao aho. Hoy i Ony tezitra mafy
Fa inona daholo ary izany teninao izany hoy i Rado.
Dia mbola sahinao ihany ny mandainga?
Nefa ny masoko izao mihintsy no nahita anareo nifamipihina midoladola: hoy i Ony sady romotra be
Mifona aho ry Ony a, mifona aho akia.
Diso aho, diso akia aho a,Diso tokoa aho tsy nanaja anao fa nilingilingy tany an-kafa, hay na ny mpamosavy mandeha alina aza misy mahita,
mifona mivalo akia ry Ony a,hoy i Rado sady menatry ny nataony
tsy an-dro tsy an-telo intsony akia izaho a;
mbola tia ahy ve Ony?
Eny e, tsy maninona
hoy i Rado sady nalahelo
Tiako foana ianao ry Rado a, fa tandremo tsy hamerina intsony a: hoy Ony no sady nalahelo
Eny akia malala a, tsy hamerina intsony intsony a
--------
Rohy:
5349 3
Hevitra mandeha
rakotomalalafanantenanaryco ( 19/04/2018 13:31)
Mafinaritra avokoa ny tononkalo eh
nalsonrazakariasa2015 ( 20/04/2018 09:29)
Misaotra betsaka e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012