Ny taniko (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny taniko

Tiako ianao ry taniko
Eny, Tena mamiko
Tsy avelako ho lavo
Fa asandratro ho avo
Mba ho reharehako
Ianao ilay harenako

Tiako ianao ry taniko
Eny, Tsy hatakaloko
Fa ianao ilay ankaniko
Efa namboariko
Ary mbola hilevenako
Sy ireo fahaterako

Tiako ianao ry taniko
Eny, Tsy mba foiko
Fa ianao ilay efa laniko
Ary ho tompoiko
Tsy avelako ho foana
Raha mbola misy koa fotoana

Tiako ianao ry taniko
Ka ianao no tazaniko
Hibanjinako ny ho avy
Mba tsy ho resy tsy miady
Mba handroso hatrany
Mandrampialako eto an-tany

Tiako ianao ry taniko
Ny soa aminao tatavaniko
Tsy homeko ireo vahiny
Sy ireo mpi-bodo tany fahiny
Fa hiady aho ho anao
Ho fanavotako anao

Tiako ianao ry taniko
Hitadiavako izay ho haniko
Tsy afoiko na oviana
Tsy mety lany hamamiana
Ianao ry tanin-drazako
Hilevelako ho razako
--------
Rohy:
822 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137