Ny tena tia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena tia

L; Tiako ianao
Tiako tena tiako
Hiara-dia aminao
No hany faniriako

V; Izaho ve dia tianao?
Izao paoziko izao
Aty amiko daholo
Ny haratsiana manontolo

L; Tiako fotsiny ianao
Tsy misy hoe nahoana
Fa izay haratsianao...any
Vao maika tiako foana

V; Tsy mino an'izany aho
Iza koa no mba tia ahy?
Izaho izay sima molotra
Kilema tongotra
Izaho izay gila sy banga?
Dia tianao?
Sangisangy angamba
Ity lazainao

L; Tiako ho aho ianao
Tsy hanihany sanatria
Tsy misangisangy izany aho
Fa tena tia tena tia
Na inona kilemanao
Na inona haratsinao
Dia tiako foana ianao
Raha toa ka sitrakao
Aza lavina aho

V; Inona ary no itiavanao ahy?
Sa ny mamiko fotsiny ihany
Izaho mantsy toa manahy
Ndrao mba izany
Ka harianao aho
Rehefa lany mamy
Sy azonao izay ilaina
Ka harianao ity kilemaina

L; Andray kosa ity vavanao
Sao mba tsy mety lahy
Fa ny itiavako anao
Ny toetranao sy fanahy
Ianao malemy fanahy
Ianao tsotra kely
Ekeo re ary aza manahy
Fa ny foko dia ho anao irery

V; Sao dia alahelonao ahy
Ary ny itiavanao ahy
Aoka re mba tsy ho izany
Fa ndrao handraraka tomany

L; Tsy alahelo sanatria
Na fitserana akory
Fa ny foko no tia
Nahatonga ahy nitory
Hamboraka fitiavana
Ho anao rahavana
Ka asakasakao
Raha ho lavinao
Ka hampijaly ity fo
Izay efa tokam-po

V; Eny ary
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1976 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1393