Ny tia sy ny manina (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tia sy ny manina

Ny tia sy manina no tafaray
Hitambatra ho iray
Tsy hisy intsony fahalavirana
Koa indro hifinkirana
Fa efa nifanojo niombom-pitia
Mandrakizay doria
Tsy voasarak'ireo te handrava
Mihavao lalan-dava
Matotra hatrany voafatotra tady
Koa hifanam-bady

Ny tia sy ny tiana no tafaray
Mitovy fitia ka dia iray
Ka vonon-kiroso hiara-dia
Koa indro aina no fetram-pitia
Hiaraka amin'ny andro rehetra
Tsy misy fetra
Fa hivoady sy hivelirano
Tonga tokan-trano
Tsy ho sasatra tsy ho reraka
Hifampiteraka

Rehefa ireo no tafaray
Indro fitiavana mamaivay
Tsy mety maty tsy mety miato
Toa fo vato
Tsy mety miova fa mafy orina
Tsy noforonina
Ireo teny mamy sy tambitamby
Tsiky tsy lany sangisangy
Eny maniry ny hivady
Hivelirano sy hivoady
Hitambatra ho iray ny fo roa
Aina no fetra ho lamban'akoho
Fa tafaray ny samy tia
Eny ho doria doria
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1700 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154