Ny voady atolotro (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny voady atolotro
tsy hoe avy eo imolotro
ihany no hambara
fa ny foko no hitantara
izay zavatra miafina
sy tianao ho porofoina
ny banga ho fenoina
tsy ankinafinafina
fa ataoko baribary
ho kendreko ho sary
tsy hay hadinoina
fa ho fatsiarova any
aoriana any
dia tadidy hatrany
ilay nifanekena teo
anatrehan'ny alitara
dia ilay voady tsara
hoe ho tia anao aho hatrany
hatrany ankoatra any
ka inona inona hiseho
na halahelo sy tomany
dia tiako foana ianao
mandrapialako eto an-tany
fa porofoiko anareo
ry vavolombelona
ho tia anao tsy ho lao aho
na efa maty na mbola velona
izany teniko izany
dia ho taniko hatrany
tsy hivadika aminao
inona hanjo ahy
fa ny foko tia anao
tia ka aza manahy
tsy miatsaravelatsihy
sanatria fa ho doria
izay no fetram-pitia
mamy tsara fy
izany voady izany
dia miampy teny mamy
tambitamby sesilany
dia ho mamy hatrany
ny fitia izay najoro
dia ho vato fehizoro
fitaratra any aoriana
tsy hisy hakiviana
izay ilay voady atolotro
ho anao ry tiako sy mamiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1028 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126