You are here: home > Vetso

Ny zanako - nalsonrazakariasa

Ny zanako no tena mamiko
izy ireo no handova ny taniko
ny fananako rehetra
dia azy ireo tsisy fetra

Ny zanako no tena harenako
hanala ny fahasorenako
hanaovako ny adidy koa
mba ho fara sy dimbiko

Ny zanako no hany fananako
izy ireo no iadanako
raha tsisy azy aho angamba
tsaroako fa tena ho banga

Sokajy : Fitiavana, Ny zanaka

Hametraka hevitra

Midira aloha