You are here: home > Vetso

Olon-tiana fahiny - Nalison Randrianaivo

Olon-tiana fahiny

Tiako foana izy iny
Na dia nanadino ahy aza
Mbola averiko eto anefa ankehitriny
Ary sahiko ny milaza

Fa tokana ato am-poko izy
Ary sarotra amiko ny hanadino
Izaho manantena no tsy kivy
Ary koa mbola mino

Fa mbola hiverina izy
Mbola hiverina anilako indray
Ka hafana ny hirifiry
No ho sambatra izahay

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha