You are here: home > Vetso

Porofom-pitiavana... - Nalison Randrianaivo

Porofom-pitiavana

Fitiavana tena maharitra
Ety an-tany ka hatrany an-danitra
No homeko anao sy atolotro
Sanatria, raha ihany imolotro

Fa tena avy ato anatiko ato
Izay mitempo anao tsy miato
Ary tena vokatry ny fo tanteraka
Ka etsy ny tananao asiako peratra

Fitiavana mahay mivoatra
Ety an-tany ka hatrany ankoatra
Dia manomboka eto ary isika roa
Iray fa tsy roa, ho lamban'akoho

Fa tiako ianao rahavako
Dia etsy ianao ho tantanako
Mba ho fantatry ny maro
Fa efa ahy irery ihany ianao
Dia izaho anao irery ihany koa
Koa hiara-dia isika roa
Ho doria mandrakizay
Ary hitambatra ho iray

Hametraka hevitra

Midira aloha