Raha ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ianao

Raha ianao no tia ahy
Dia ho mandrakizay aho
Tsy hanana ahiahy
Fa hatoky tsara anao
Lavitry amiko ny ho lao
Sanatria ny hanitsaka
Fa hipetra hanaja anao
Hamikitra hamitsaka

Eny an-dalana tantanako
Raha marary tsaboiko
Misakafo ianao fahanako
Miala sasatra am-pofoiko
Tsy mahita tory rotsiako
Mangatsiaka fihiniko
Ianao no fifaliako
Ny androko aminao no ankiniko

Tsy avelako ho irery
Fa ho ento manaraka ahy
Ianao tsy ariako velively
Aza matahotra, Aza manahy
Toy ny rano sy vary
Miaraka foana foana
Sanatria raha hifanary
Na inona aza fotoana

Ka ny androko rehetra
Dia atokako ho anao
Tsy voafaritra, Tsy voafetra
Ho doria raha sitrakao
Raha toaka ka ilaina
Ny aiko no atolotro anao
Fa ianao no lalaina
Fa tiako Raha ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
977 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116