Raha lavitra anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha lavitra anao

Raha lavitra anao
Banga ny fiainako
Very ny fisainako
Iza no hitarainako?

Mitolokoloko irery
Mahatsiaro tena very
Ka ireo zavatra atao
Tsy misy raha manjary
Raha lavitra anao
Izaho maty mosary

Ireo androm-pifaliana
Niainako hatr'izay
Hiova ho fijaliana
Ho maloka indray

Io masoandro baliaka
Izay tena sariaka
Ho takonan-drahona
Ho mangidy toa vahona

Ka ny androko tontolo
Ho manjombona daholo
Ho maizina tsy hazava
Maloka lalan-dava

Raha toa tsy anilanao
Ireo endriko hitanao
Ho ketraka sy hatsatra
Mila anao fatratra
Fa raha lavitra anao
Hamon-tena aho
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
998 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112