You are here: home > Vetso

Rahoviana ihany - nalsonrazakariasa

Rahoviana ihany

rahoviana ihany ary
vao ho foana ny mosary
fa ho voky lalan-dava
ka ho mirana ny tava

rahoviana ihany ary
vao mba hisy hikabary
hilaza sy hanambara
fa ho avotra i Gasikara

rahoviana ihany ary
no vaotahiry an-tsary
ity taona vaovao
mba hitondra soa ho anao

rahoviana ihany ary
vao mba tsy hisy intsony
ny ambany sy ambony

Hametraka hevitra

Midira aloha