Raiso Am-pitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raiso am-pitiavana

Na olo-tsotra na mpanao politika
Ka hanohana an'i Dada Ravalomanana
Aoka tsy ho sanatria ka holavin-tsika
Fa Raiso am-pitiavana
Fa tia Tanindrazana

Na atoko inona na finoana inona
Ka hanohana an'i Dada Ravalomanana
Ekeo foana, Fa i Gasikara no banjinina
Dia Raiso am-pitiavana
Fa tia Tanindrazana

Na Avy aiza na avy aiza fiaviana
Ka hanohana an'i Dada Ravalomanana
Dia aoka isika rehetra handray am-pitsikiana
Ka Raiso am-pitiavana
Fa tia Tanindrazana

Na Foko avy aiza tsy hanavahana
Ka hanohana an'i Dada Ravalomanana
Fa i Madagasikara mila fahafahana
Dia Raiso am-pitiavana
Fa tia Tanindrazana

Isika rehetra tsy mba mpanavakavaka
Ka izay te hanohana an'i Dada Rehetra
Dia aoka isika tsy hitsahatra hivavaka
Fa Andray Am-pitiavana
Izay tia Tanindrazana
--------
Rohy:
1713 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012