Ratra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ratra

mafy sy mafaitra
mangidy tsy laitra
nanjary ratra sy fery
namela aretim-po
nilaozanao ho irery
nankarary ity fo

kapoaka mangidy
tsy misy fanafany
fanafody lafo vidy
tsy mba takany
fa ianao irery ihany
no fanafodin'izany

aretim-po no nahazo
nitoetra tao am-po
ireo vonin-kazo nalazo
sy maina avokoa
fa tsisy mpikarakara
navela ho diso anjara

ratra ao anaty
no nasetriny ho ahy
mafy tsy tanty
nankarary ny fanahy
--------
Rohy:
Sokajy : Ratram-po - Fitiavana
1216 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159