Ravina sy Taho (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ravina sy Taho

Toy ny Ravina mamelana ianao
Voakolokolon'izaho Taho
Ho tsofin'ny rivotra hikopakopaka
Hanafosafon'ireo Rotsaka

Ny fitiavana no Faka niaviana
Izaho sy ianao ilay ravina sy taho
Dia ireo Mony tsy lany hamamiana
Dia noho ilay fitiavako sy fitiavanao

Hiaraka isika ka tsy hifandao
Na amin'ny mamy na ny mangidy
Hiaraka hanandratra ka tsy ho lao
Misedra ireo andraikitra sy ireo adidy

Raha maty aho ho maty ianao
Dia miara-maty izaho sy ianao
Fa ilay faka fitiavana kosa
Tsy mety maty vao maika miavosa

Io fitiavana sy Faka niaviana
Mitoetra hatrany tsy mety mangina
Na efa maty aza Izaho sy Ianao
Io Fakam-pitiavana io mbola ao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
655 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123