You are here: home > Vetso

Rehefa lavitr'olon-tiana - Nalison Randrianaivo

Rehefa lavitr'olon-tiana

Rehefa lavitr'olon-tiana
Ka irery an-toera-mangina
Dia lasa indray ilay saina
Alefa mankany aminy any
Dia manontany tena hoe:
Any mantsy ianao any

Rehefa lavitr'olon-tiana
Ny tontolo nanjary zina
Ka ny sento sy ny alahelo
No mitambesatra ao an-doha
Rehefa iny mahatsiaro
Ireo fiarahan'olon-droa

Rehefa lavitr'olon-tiana
Matetika hitomaniana
Raha manembona ireo niarahana
Ka hoe tojo izany fisarahana
Dia indro ary fa tsy tana
Milatsa-dranomaso mazàna

Rehefa lavitr'olon-tiana
Dia tsy andry izay hodiana
Hany ka ny zavatra atao
Dia tsy misy raha manjary
Ny saina efa any aminao
Tsy misy izay lavorary

Hametraka hevitra

Midira aloha