Rehefa tena tia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa tena tia

rehefa tia tokoa ny olona
tena vonon-kitolona
fa na mangidy sy mafaitra
tsy mijery izay takaitra
tsy mintsinjo izay ao afara
fa misisika mba ho anjara

tsy jereny akory
io ora-mitatao
tsy rarahiana izay hahahory
fa ny azy dia ianao
toa hodiany tsy re
io varatra mirefotra
halaminy ny fandeha
fa izy tsy hilefitra

tsy tazany ihany koa
ireo tendrombohitra, havoana
fa ny azy dia ho tody soa
fa tsy ho zava-poana
ny ranomasina mangeniheny
dia hodiany tsy jereny
fa ny azy no tafita ihany
dia ny eo anilanao izany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1573 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152