Rehefa tia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nisalasala aho satria
ny foko dia tena tia
vonona hiara-dia
mandrakizay doria

tsy nihambahamba
fa foko dia efa jamba
jamba anao rahavako
ny foko sy ny fitiavako

tsy nandinika intsony
izay mety hiafarany
ny ainy aza afoiny
ho anao hatrany hatrany

tsy matahotra akory
izay haha ory
fa ilay fony atolony
mivoaka avy eo imolony
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
908 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158