You are here: home > Vetso

Rehefa tsy anilan'ny tiana - Nalison Randrianaivo

Rehefa tsy anilan'ny tiana

rehefa tsy anilan'ny tiana
izay vao tena fahoriana
tsy mahatelin-tsakafo
fanafody vidina lafo

rehefa tsy anilan'ny tiana
izay vao tena fijaliana
fa tsisy mety izay atao
fa ny saina any aminao

rehefa tsy anilan'ny tiana
izay vao tena farariana
marary hevina foana
maninamanina te hiaona

rehefa tsy anilan'ny tiana
izay vao tena fihafiana
miafy tsy misy mpanao
horoka sy safosafonao

rehefa tsy anilan'ny tiana
izay vao tena haratsiana
mikorontana tsisy mpandamina
ny lovia nihinanan-kanina

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha