You are here: home > Vetso

Sakaiza manody. - Nalison Randrianaivo

Sakaiza manody

Izao lesy ry Sakaiza
Isika roa lahy mpinamana
Samy tia fihavanana
Nifandray am-po tokoa
Toy ny mpiray tampoa

Nifampihinana ny manta
Niara-nihosina sy ory
Kanefa tsy nampoiziko akory
Hoe ialahy no nivadika ahy
Sahy aloha ialahy ka sahy

Ilay rohy mba nampitohy
Lesy dia tapaka no ho ialahy
Ka mialatsiny lesy a, Azafady
Fa tsy hitohy intsony ny tady
Tena sakaiza manody ise
Veloma fa aleo aho handeha

Hametraka hevitra

Midira aloha