Sao dia tsy rariny (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sao dia tsy rariny

Malala a, Sao dia mba tsy rariny loatra e
Sao mba tafahoatra
Ity ataonao ahy
Sao mba tsy mety lahy

Ila ho isan'andro
Tsy maraina tsy hariva tsy atoandro
Dia izao foana
Rehefa mba miaona
Atezerena lava reny
Izany raha miteny

Endrikendrika saina ratsy
Ka mila tsy ho tanty
Mila tsy ho zakako
Ity mijery ny endrikao
Vinitra lava izao

Na zavatra tsy ataoko
Hilihanao hoe fanaoko
Minia ianao hoe nataoko
Sao mba tsy rariny re e
Mba mandiniha ihany anie e
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
776 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153