Satria tiako ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria tiako ianao

na hizaka izay mafaitra
mangidy tsy laitra
ka ho fery, takaitra
ity tenako ity
dia vonona aho satria
tiako ianao

na ho vonoina
velesina, darohina
doroina, kapohina
ity tenako ity
dia vonona aho satria
tiako ianao

na ho gadraina
melohana, kendaina
ho dorana mba ho maina
ity tenako ity
dia vonona aho satria
tiako ianao

na ho lasa fahavaloko
daholo aza ny havako
miavona amin'ny tavako
sy ity tenako ity
dia vonona aho satria
tiako ianao

na tsy tia ahy avokoa
ny olona etsy sy eroa
hankahala, tsy hankatoa
ity tenako ity
dia vonona aho satria
tiako ianao

na hifanehitra amin'ny dahalo
indrindra fa fahavalo
mitady hampimalo
izaho sy ianao
dia vonona aho hiaro
satria tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1597 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159