Satria tiako izy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria tiako izy

Kanto, Sarobidy, Meva, Koloina, Dera, Rabary, Vola, Bebe Rasoa ary Dadabe Lemaka

Dera
Koloina a. Tena tia ahy marina ve ianao?

Koloina
Eny ry Dera a. Eny mandrakizay raha sitrakao !!!

Dera
Misaotra akia koloina a
mahatsiaro sambatra ery aho manana anao

Koloina
izany ve?

Dera
ie!! Ianao tsy sambatra e?hihi

Koloina
Sambatra aho rehefa sambatra ianao ry Dera

Dera
Ieny akia

Koloina
Dera a

Dera
Ahoana izay rahavako?

Koloina
Malahelo sahady aho izany

Dera
Fa maninona? Dia malahelo an'iza? Sa...?

Koloina
Malahelo anao aho ry Dera.
Amin'ny Zoma anie izahay no hiverina any Antananarivo e
Dia tsy ahita anao indray mandritry ny volana maromaro,

Dera
Izany ve, Miandry anao eto foana ry Koloina a
Ho aiza moa e
Raha tsy maka vilona dia miandry omby na miasa tany sy mamboly e

Koloina
Dera a, Raha sitrakao dia hiaraka hetsena isika rahampitsoa,
raha afaka ianao?

Dera
afaka foana aho fa amin'ny firy nefa izany?
Mbola hamoaka omby mantsy izao amin'ny 9h

Koloina
Mety foana ka, izay ahafahanao ihany.
Dia ohatr'izao foana izany no ataonao isan'andro?

Dera
Atao ahoana moa e,
Tsy mba afaka mianatra toy ny olon-drehetra e, ny fakana vilona sy miandry omby no mba hay e

Koloina
Izany ve, mampalahelo ahy ianao

Dera
Ie, te hianatra fa ny vola no tsy misy entina mamita izany e,
Dia izao !!!

Koloina
Dia tsy mba nandalo sekoly mihitsy ve?

Dera
Nandalo fa T3 dia niala e

Koloina
T3 ahoana ry Dera?

Dera
T3 e, Taona fahatelo e

Koloina
9éme ve?

Dera
ie, nefa ianao izao efa afaka bacc e?

Koloina
Ie, izaho ary efa hiasa izao koa, efa manao stage aho io

Dera
Izany ve, Sambatra ianao.
Mazotoa mianatra dia mahavita soa aman-tsara izay atao e

Koloina
Mampalahelo ahy ianao ry Dera.
Te hanampy anao aho saingy ataoko ahoana?

Dera
Aza misahirana akia fa aleo amin'izao a

Koloina
Ieny ary e
Teto koa isika dia variana marina, handao hody amin'izay fa ariva ity ny andro

Dera
Eny marina
Aleo ary aloha sakanako iry omby iry dia haka an'i Kiala mavo itsy aho dia hody isika e

Vola
Kanto a, atsovy i Sarobidy sy koloina dia avia nareo aty

Kanto
Sarobidy? Atsoina neny nareo sy Koloina,

Sarobidy
Ho avy hono hoe e

Vola
Kanto a, Koloina a
Sarobidy a

Kanto
ho avy maman ah

Vola
Fa aiza izy roa vavy?

Kanto
Ao an-tokotany ao i Sarobidy miaraka milalao an-dry meva sy ny namany ao, fa i Koloina tsy hitako

Rabary
Ndana ianao antsoy ho aty i Sarobidy, haingana

Sarobidy
Efa ity re aho e
Ahoana izay ry Papa sy Maman?

Vola
Ndana ianareo miaraka matsaka miaraka amin'ny Meva

Sarobidy
Reraka be aho, Izaho tsy ho any fa reraka aho maman ah

Vola
inona no nahareraka anao?
Mandana ianao fa aza be famaliana eo

Sarobidy
An an ka, reraka hoy aho izaho,sady izaho koa tsy ho any fa be fotaka be any

Rabary
Sarobidy?
Ndana ianao
Atsoy i Koloina dia mandehana matsaka, aingana

Bebe rasoa
Ity ny Sio an-janako dia ndehana fa ahandro voamanga aho ho haninareo avy any

Vola
Ireo angaha ry mama mahagaga a
Mamaly foana isak'izay misy hanirahana azy e

Dadabe lemaka
atao ahoana moa fa izay no mahazaza azy e

Vola
Efa 15 taona anie i Sarobidy e, Koloina izao 17 taona fa i Kanto vao 10 taona

Bebe Rasoa
Ary nankaiza ilay zokiny?

Rabary
Lasa atsy andrefana.
ao an-dry Dadanaivo e

Koloina
Noana be aho neny a

Vola
Fa taiza ianao io

Koloina
Teny amorona aho naka anan-drano sy nanasa loha

Bebe rasoa
Mipetraka aloha minina voamanga,
etsy, io aloha hanina e

Ny Hariva

Koloina
Iny volana baliaka iny
Dia mitara-bola fotsy
Sady feno rotsirotsy
Saingy tsy eo anilanao
R'ilay tiako sy lalaiko
Dia marary re ny aiko

Iny tendrombohitra iny
Ny havoana tazanina
Mideza maha fanina
Satria tsy eo anilanao
Dia manirery toy izao
Any ianao izay ry tiako
Tsy lavitra fa akaiky
Matoa ianao no niriako
Dia ny foko no nanaiky

Tiako ianao
Dera

Koloina
Io no tononkalo nosoratan'i Dera ka novakiana ho ahy dia tadidy sy aiko tsianjery sahady, hmmmm

Dera
Ho voasoratro ve?
Hanoratra ho diary
Toa miaina anaty sary
Toy ireny milalao
Izaho sy ianao
Ka tsy aiko angamba
Fa ny foko efa jamba
Dia tsy mahafoy anao
Dia malaina ny hifandao

Dia ho sary tokoa ve?
Aaa, angamba nofy izany
Izy toa mba tia ahy ihany koa
Ireo vatana malefaka
Iny orony petapetaka iny
Dia toy irony vahiny
Ny fijeriny mipitrapitra
Ny fitsiny mahafatifaty kely
Dia tiako ho ahy irery
Satria mpiambina ahy
Fa anjely

Anjeliko
Dera

Vola
Matoria amin'izay ianao ry Koloina a, mbola hifoha maraina anie isika fa handeha hody e

Koloina a
Ah? Fa angaha mody rahampitsoa isika ry neny?

Vola
ie, fa matoria e

Koloina
Ka tsy ampy mihitsy anie ry neny raha izay dia hody e, izaho mbola hijanona aty ka ah

Vola
Hijanona aty ahoana e?
Ianao anie mianatra amin'ny lundi nefa ny fitaovanareo mbola tsisy voavidy, ary matoria

Koloina
" Lasa saina sy malahelo "

Ary nilaza fa handeha hipipy kanefa:

Koloina
Handeha ho any amin'i Dera aho ka,
Hanao veloma azy dia homeko azy ity montre ity ataony ho fahatsiarovana ahy

Lasa izy nefa ny andro amin'io maizi-mbe, tokony tokony tamin'ny 10h alina teo

Mbola hitohy...
--------
Rohy:
1906 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162