Satria tiako loatra ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria tiako loatra ianao

Ny ho aviko rehetra
Dia nafoiko tsotr'izao
Ny vatako madio
Dia natolotro ho anao
Eny fa na ny havako
Ny fianankaviako
Nafoiko re rahavako
Ary tsy noraraiko
Nafoiko noho ianao
Satria tiako loatra ianao

Eny fa tsisy nohenoiko
Raha niteny nanoro ahy
Ireo namako tsy foiko
Rahavavy sy ana-dahy
Fa ianao no tiako
Tiako ka tsy ariako
Efa nofidiko ianao
Tsy tiako hifangaro
Tiako hiavaka amin'ny maro

Izao rehetra izao
Sy ny zavatra ao aminy
Dia nafoiko tsisy tambiny
Ho anao irery ihany
Mandrampialako eto an-tany
Dia afoiko ny aiko ho anao
Satria tiako loatra ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2228 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158