Sedram-pitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sedram-pitia

Tao anaty ady sarotra
Nanempotra ny maso
Nampirotraka tomany
Nampiseho alahelo
Natototry ny an-kaso
Ireo tsiambaran-telo

Tao anaty fijaliana
No nitsiry ny vintana
Nanarina ny lavo
Nifanosina ny tany
No nifaly indray fa ravo
Nisinda ny tomany

Tao anaty fahasairanana
No niezaka sy nikiry
Tsy kivy fa mitady
Tsy nikely soroka
Fa vonona ny hiady
Nanao angady an-tsoroka

Tao anaty ny mangidy
Tsy levon'ny vavony
Tsy toy ny tantely
Fa toy ny vahona
No nitraka tsikelikely
Ka nisava ilay rahona

Tao anaty fankahalana
No niainana ny fitiavana
Tsy navela hifankatia
Fa hoe tsy mitovy
Ka nanambatra ny fo
Ho safidin'olon-droa
Fa na zovy na zovy
Handrara ny antsika efa toa

Tao anaty geja
Voagadra sy voarara
Dia samy nifatoka
Hamaha ireo fatotra
Tsy maintsy anjara
Satria niombom-pitia
Tsy maintsy miara-dia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1148 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152