Tafandria mandry (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tafandria mandry

Tafandria mandry izany havako izany
Andriamanitra avo anie homba anao
Koa mahitĂ  tory dia manofisa mamy
Ary mba ho tratry ny maraim-baovao

Ity teny mamy miampy horoka kely
Ho entinao hamakivaky ny alina
Ka hiambina anao tokoa ny anjely
Hanofinao ahy amin'ny torimaso lalina

Tafandria mandry ary aza hadinoina
Fa tiako ianao ry malala tsy foiko
Ny fitiavako anao tsy maty vonoina
Fa ianao irery no hany ato am-poko

Ny Ray ao ambony kia no mahita
Ary izy ihany koa ny hitsara an-tsika
Koa minoa azy ary dia ho fantatrao
Ary voaporofo ny fitiavako anao

Koa tafandria mandry ianao ry malala
Aza hadinoina ny mivavaka aloha
Fa ny Tompo ao ambony no mahalala
Izay hahasoa an-tsika roa
--------
Rohy:
4752 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024