Tara loatra ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tara loatra ianao

Efa folaky ny ratsy natao
  Izay ve vao tonga saina ianao?
Hoooo, Tara loatra ianao noho izany
   Fa izaho aza efa sambatra koa
Efa manana ny tiako sy tia ahy
    Efa migoka teny mamy
Efa mihanoka fiadanana ihany koa
   Tsy amin-tebiteby sy ahiahy

Teo anilanao aho natositosika
       Nahilikilika tahaky ny inona
Tsy mba nahazo teny mamy
   Tsy mba nahare izany tambitamby izany
Izaho aza moa natao tsinotsinona
    Na dia tena tia sy tsy mahafoy
Dia nanaovanao adalana
    Nararaotinao ny fahatsorako
       Ka angamba tsy hadisoako e

Ialakotsiny mialoha aminao
       Fa tsy afaka intsony aho
Fa efa manana ny tiako aho izao
       Fa tara loatra re ianao
Mafy no efa nentiko, tena mangidy
      Saingy tsy nataoko nahakivy
Fa niaretako hatrany hatrany
 Kanjo tsy zakako ihany no niafarany

Androany ianao tonga hifona
    Tsy aiko aloha na voadona?
Fa efa fotoana elaela ihany izay
Ianao no tsy niantso ahy
    Ankehintriny aho niova loko
Lasan'olon-kafa ny foko
      Ka mialatsiny aminao aho
Fa tara loatra ianao
--------
Rohy:
935 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172