Taratasin'olon-tiana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taratasin'olon-tiana

Ho anao ry tiana
Mino aho fa salama ianao
Mamaky izao taratasy izao
Izaho manoratra aloha salama
Fa malahelo foana mazĂ na
Mahatsiaro fa tokana irery
Tsy manadino anao velively

Taratasy nalefako anio
Raha voaray dia mba valio
Fa malahelo aho matetika
Rehefa iny masoandro milentika
Hatsiarovako ilay endrikao
Ny foko izay tia anao

Manina manina lasa vinany
Manina ka mba te hanontany
Mbola tia ahy ve ianao any?
Sa nanadino ity olon-tiana
Mahatsiaro fangirifiriana
Tsy anilanao ry tiana

Izaho aty tsy miova sanatria
Tsy miova koa ilay fitia
Fa ny foko sy ny fitiavako
Tokana ho anao rahavako
Ka tsy hamadika anao velively
Fa tokana ho anao irery

Isan'andro angie akia izaho
Milatsa-dranomaso foana e
Mahatsiaro tsy anilanao
Malahelo mafy ka te hiaona
Nefa rahoviana ary ilay fotoana
Fotoana hiaonan-tsika roa
Fa tena mafy tokoa
Ity mahazo ity fo

Ho faranako akia ny teniko
Ka apetrako ny peniko
Ataoko anaty valopy ity
Taratasy ho anao ity
Ho alefako mankany anio
Raha azo atao dia mba valio
Izay fa veloma akia malala
Ho ilay malalanao aty
Fa ny foko akia adala
Tsy mety mahafoy an'indry

Tiako foana ianao
Hoy ilay malalanao
Tsy manadino anao
Tsy mahafoy anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1907 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017