Taratasy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taratasy ho anao

Any ianao ry Tiako.
Any lavitra any, mety mba mahatsiaro ahy ihany?
Havoana sy tendrombohitra no manelanelana ny tiana sy manina. Salama tsara ary ve ianao any sa manahoana? Izaho te hahita anao ary malahelo foana,.
Raha vao mahatsiaro hoe irery tsy eo ianao dia te hitomany ireto masoko roa manganohano mieritreritra anao.
Mino aho anefa malala fa ho avy ianao , ho avy eto anilako ianao ilay silako.
Eto aho mandefa eritra ary mieritreritra hoe: Sao dia nanadino ny fisiako ianao, ka tsy ho tsaroanao akory ny fisiako, sy ireo fijaliako nandrakotra fahoriana maro, halahelo mifangaro.
Eny e, eto aho miandry eto foana, na oviana na oviana fotoana hiverenao eto a-tratrako dia mbola ho fahasambarako. Indray ny handray anao sy ho mandrakizay.
Kely no voasoratro fa ianao no isaorako, nandray ity taratasy, mba nataoko ho vatsy, ho valianao raha voaray, ho solotenanay.
Izay fa veloma mandrampihaona,ary aza manadino, fa izaho eto foana, miandry anao ary tsy manadino.

Hoy ny malalanao tia anao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
862 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153