Taratasy ho anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taratasy ho anao

Ho anao...
Ho anao ry malala
Ity taratasy ity
Ataoko ianao fa salama
Eo am-pamakiana ity
Any...
Izaho akia salama tsara
Eto ampanoratana
Kanefa mila ho adala
Satria ianao tsy mba tazana
Tsy mba re akory
Tsy ahitam-baovao
Na faly ianao na ory
Tsy mba re avy aminao
Fa misy inona?
Sa misy olana any?
Valio raha tsy mampaninona
Fa tsy mandry izany saiko izany
Mieritreritra anao foana
Efa tsindrin-daona te hiaona
Nefa rahoviana no fotoana
Toa...
Mbola an-kamatatra
Mbola tsy fantatra
Raha voarainao soa aman-tsara
Ity taratasy ity
Dia mba valio re ry malala
Fa miandry aho aty
Hoy ny malalanao
Tsy manadino anao
Dia tsarovy fa tiako foana ianao
Izay re fa mba valio
Ary koa mba tadidio
Fa miandry foana anao
Ity malalanao
Koa veloma mandrampihaona
Fa hany mbola hiaona

Ho i...

Tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1210 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113