Miarahaba manao ahoana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miarahaba manao ahoana

na aiza na aiza no aleha
na inona na inona fotoana
dia misy teny fandre
miarahaba manao ahoana

na iza na iza manoloana
rehefa fantatra dia arabaina
atao hoe manao ahoana
dia mazotoa aza malaina

tsy maraina io tsy atoandro
tsy fety, tsy andavanandro
fa ahenoana izany foana
ilay arahaba manao ahoana

izy tsy mifidy ora
fa mety anaovana azy foana
izay tsotra sady mora
ilay miarahaba manao ahoana

indrindra ireo olona taloha
izay hendry sy manaja
teny firariana soa
manao ahoana, miarahaba

tsy sarotra tononina
fa toa zatra loatra ny vava
eo amin'ny fiaraha-monina
vao maraina dia miarahaba

teny fandre matetika
na etsy na eroa
vetivety eo na mbetika
ahenoana azy avokoa

indrindra ireo izay tafahoana
tsy manadino tsy akory
avy dia miarahaba manao ahoana
tsy misy lonilony
--------
Rohy:
868 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165