Tia tsotr'izao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia tsotr'izao

Vavy
Vao tsy ampy ora iray akory
No nahalalanao ahy izay
Dia sahy ianao ny mitory?
Milaza fa hoe tia ahy?

Lahy
Tiako ianao hoy ny foko
Tsy nanery tsy nandidy
Ka angamba tsy hadisoako
Fa anjaranao no misafidy

Vavy
Dia lasa ary izato saiko
Ny eritreritro any ho any
Ka tsy hita izay ho lazaiko
Hay babony avy hatrany

Lahy
Ka manantena aho izany
Ity fitiavako ho raisinao
Izay tia anao avy hatrany
Izay tia tsotr'izao

Vavy
Eny ary e, Ela no naniriako
Nofinofiko ny ho alinao
Izao ianao ity ilay tiako
Tia trotr'izao
--------
Rohy:
1068 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0851