Tiako hitoetra - Nalsonrandrianaivo
Tiako hitoetra
Ireo teny fitiavana sy angolanao
Tiako tsy foiko hatramin'izao
Ny angotiteninao tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany
Ireo hafaliana sy haravoravoana
Indrindra isika rehefa tafahoana
Izay sambatra ery tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany
Ireo horokoroka sy safosafo
Nifamipihina sy pimaso
Indrindra indrindra ireo teny mamy
Mbola tiako hitoetra eny ihany
Ireo fahatsiarovana tany aloha
Tiako hiverina indray avokoa
Ireo embona tsiahy tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany
Sokajy :
Fahatsiarovana tsiahy embona, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Nalsonrandrianaivo

Nampiditra : nalsonrazakariasa2015
Daty : 13/04/2018
Mpamangy : 114
Mankafy : 2
Ankafizo
Tononkalo hafa
Sao dia tsy rarinyFaniriana
Tsy handao
Hadinonao
Voady mariazy
Satry foana
21 avril 2018
Ny taniko
Tsiky dia ampy
Aza manadino