Tiako ianao matoa (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao matoa

Tiako ianao matoa nofidiako
Hiara-dia aminao no tena faniriako
Satria ianao efa vitako tsianjery
Ny hany mba tiako dia ianao ho ahy irery

Tiako ianao matoa antsoiko ho malalako
Fa ny tanjoko izao dia ianao no anjarako
Ka ny tiako aza dia tsy misy fetra
Ny androko rehetra, mila anao hitoetra

Tiako ianao matoa notantanako
Ny hany faniriako anao hitsilo ny lalako
Satria ianao no fanilo hanazava
Fa na rahona mainty aza anie hisava

Tiako ianao matoa ianao nekeko
Tsy mba no laviko fa nojereko
Ka satriko dia satriko ianao mandrakizay
No hiara-dia amiko hitambatra ho iray
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1577 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124