Tiako nefa halako (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako nefa Halako

Tiako ianao, nefa halako
Faniriako, tsy ho malalako
Fa ity saiko no adala
Mitia nefa mankahala

Tiako ianao, nefa tsy aiko
Izay teny ho lazaiko
Te hitia nefa mankahala
Te handao, te ho malala

Tiako ianao, nefa akory
Te hifoha aho, te hatory
Tia anao aho, mankahala
Tsy te hiantso anao malala
Nefa tiako ianao ho malala

Tiako ianao, nefa ahoana
Hitia anao aho zavam-poana
Tsy hitia anao aho, Toa tia foana

Tiako ianao, Nefa tsy tiako
Faniriako, nefa hariako
Fitiavako, No halako
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1094 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157