You are here: home > Vetso

Tianay foana - Nalison Randrianaivo

Tianay foana

Tianay foana ianao ry mpitondra mahay
Mahalala ny mahasoa ny tanindrazanay
Na dia be mpanaratsy sy be mpankahala
Dia tsorinay aminao fa izahay tsy hiala

Tianay foana ianao na oviana na oviana
Ary ireto izahay hiandry hampitoniana
Hoy ianao hoe minoa fotsiny ihany
Ary matoky izahay fa ianao tsy maintsy lany

Tianay foana ianao na lany na tsy lany
Koa vonona izahay hanara-dia hatrany
Satria mila olona toa anao ity firenena
Manam-panahy sy manam-pahendrena

Tianay foana ianao na iza na iza tsy faly
Mila anao ny malagasy izay tena mijaly
Mihorohoro tanteraka noho ireo dahalo
Mpangalatra ny harena ary tena fahavalo

Tianay foana ianao na iza na iza tsy tia
Ka manenjika anao sy misompatra ny dia
Fa raha mbola miaina eto ambony tany
Dia ny marina, ny marina tsy ho faty izany

Masina ny Tanindrazana

Hevitra mandeha

elien8 (11/11/2018 07:32:59)

iza no mpitondra

Hametraka hevitra

Midira aloha