Todim-pitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Todim-pitia

Malala
Tiana
Rindra
Safidy
Kanto
Ravaka
Mendrika
Mialy
Santatra
Sarah
Fitia

Satria voaloham-pitia
Nitia ahy sy notiaviko
Dia nekeko tsy nolaviko
Ilay fitiavany satria
Ny foko efa lasa adala
Efa resinao ry "Malala"

Nampirafy ahy izy anefa
Ka naratra mafy ny foko
Tojo ny sento sy ny toloko
Ilay fitiavako diso fiantefa
Nahatsiaro fangirifiriana
Fony teo anilan'ny "Tiana"

Nangina kely aho aloha
Niezaka ny tsy hitia
Maro anefa nitory sy minia
Saingy izaho nanindry fo
Ka tojo ilay tiako indrindra
Nandondona tao i "Rindra"

"Safidy" roa tena manadala
Manahirana ny saiko
Ka tsy hita izay ho lazaiko
Nefa ny iray tsy maintsy miala
Ny foko mitempo tsy miato
Miatsampy amin'ny "Kanto"

Asabotsy vao maraina
Mba hoe hanasa lamba
Ny maso tsy jamba
Tsy marefo fisaina
Hoe rahampitso hivavaka
Ka nahita an'i "Ravaka"

Nifankatia tsara izahay
Nifanolotra ny mamy
Ka ho tokana eto an-tany
Rehefa iray dia iray
Kanefa indray dia rendrika
Fa mpivarotena kay i "Mendrika"

Nifandimby ny taona
Maromaro ny efa lasa
No indro fa nandatsa
Satria naniry ahy foana
Tsy norarahiko ka nijaly
Narary mafy i "Mialy"

Satria nahazo aretina
Izay mbola tsy fantatra
Na avy tamin'i "Santatra"
Tsy zaka eritreretina
Hay ve ka ity "Sarah"
Ka voan'ny SIDA

Toy ny sokina nanani-bato
Ka tapi-dalankaleha
Efa maro ireo naleha
Nandehanana tsy niato
Saingy miandry aina satria
Todin'ny "Fitia"
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1716 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125