Tojo anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tojo anao

Iny aho handeha hivavaka
No indro nahatazanako
Tovovavy iray miavaka
Nifanitsy tamin'ny lalako
Topimaso indray nisoko
No nahitako ny endrikao
Nampitselatra ny foko
Avy dia nitia anao

Tampoka aho raha nijery
Tsy tazako intsony ianao
Teo vao hoy aho hoe very
Fa tsy hahita intsony anao
Ianao ilay mba niriako
Ho anilako ho olon-tiako
Nierikerika aho etsy sy eroa
Fa tsy mandry ilay fo
Raha tsy miresaka aminao
Ity foko izay tia anao

Lasa aho namonjy fidirana
Nanao kiraro mangirangirana
Ny ankanjoko koa velondrirana
Ny voloko nisopirana
Iny aho niditra ny varavarana
No nitsaitsaika nanarangarana
Ka namonjy toerana amin'izay
No indro nahita anao indray
Ka nidobodoboka mafy
Ity foko kely adala
Toa mitroatra hila ho vaky
Fa tojo anao ry malala

Toa tsy androko ery
Ny hiresahiko aminao
Hamborako ilay fitia
Nokoboniko ao anatiko ao
Ka isaky ny minitra iray
Dia mangata-maso anao
Mba hifanojo amin'izay
Ny masoko sy ny anao

No ny rava tamin'izay
Izaho no nandeha nialoha
Ka nihaona isika ka nifandray
Nifandray tanana anan-kiroa
Raha iny isika nifampiarahaba
Toa nisy hery tsy hay toerina
Avy aho dia te hibata
Dia haka anao an-keriny

Nifankalala teo isika
Nafana resaka ery
Nangotrangotraka ireo hatsiaka
Ka noborahiko ilay fitia
Ahoana moa ny hatairany
Hoe izaho dia tia azy
Izay tsy mahalala izay anarany
No milaza fa tia sahady
Izaho moa asesim-pitiavana
Ka dodona sy maika
Tsy fantatro akory raha hoe havana?
Tsy jereko izay mipaika
Ka nisisika aho mba hahalala
Izato mombamomba anao
Fa ity foko toa ny adala
Fa miandry fitia avy aminao
Efa ela no nitadiavana
Ho tolorana fitiavana
Izaho aho ity tojo anao
Ka hotsiniko ve ny hitia anao?
Fa aminao no niantsampazana
Ka mba raiso moa rahavana

Voa babon'ireo teny mamy izy
Ka avy dia namaly hoe tia
Izay aho vao tsy kivy
Fa tia ahy ihany indry
Ka tojo anao ilay tia tokoa
Tojo anao ka ho tokam-po
Eny ho doria mandrakizay
Isika hitambatra ho iray

Tiako ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1242 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.311