Tompo Tia Ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo tia ianao

Tompo ô! Tompo tia ianao
Satria tsy mahay mandao
Na andro fahoriana
Dia ianao eo foana
Hanome fifaliana
Hiala ny saona
Na amin'ny ady sarotra
Izay tena mandrakotra
Ny fiainan'olombelona
Miaina ety ambon'ny tany
Dia ianao ilay vavolom-belona
Mahita hatrany hatrany
Fa na izay miafina tsy ho hita
Dia Ianao re no mahita

Tompo ô! Tompo tia ianao
Mpintanana anay
Fa ny fahasoavanao
No naha toy izao anay ry Ray
Izay mbola tsy narianao
Tamin'ny ratsy vitanay
Izay mbola tianao
Na mpanota aza izahay
Fa notarihinao
Amin'ny lalana marina
Nefa be ireo nandao anao
Ka very tsy ho tafarina
Tsy nampiova ny fonao izany
Fa tianao hatrany izahay
Ny fitiavanao mandrakizay

Tompo ô! Tompo tia ianao
Izay tsy mora lao
Toy ny fitiavan'olombena
Fa ny fitiavanao ry Ray
Dia hafa mihintsy izay
Maharitra mandrakizay
Fa ny fitiavanao ry Ray
Dia iray mahafeno
Ny izao tontolo izao
Feno ny fitiavanao

Tompo ô! Tompo tia ianao
Mahay mitantana ny dia
Mba tsy hania
Ireto zanak'ondrinao
Handova ny lanitrao
Izay madio sy tena vao
Lehibe ny fitia anao
Ry Tompo hanjakao
--------
Rohy:
846 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154