You are here: home > Vetso

Tonta kely - Nalsonrandrianaivo

Ireo tonta kely anie
na kely na lehibe
dia mahay avokoa
izay asa ataony tsy mba soa
aleo mitandrina fa
tsy mifidy ry zalah
tsy vehivavy tsy lehilahy
tsy matahotra fa sahy
ny mpanendaka eny
manara-maso mijerijery
izay misimisy vola
sy izay midoladola
ka raha tratrany eo
dia mitomany mitoreo
ireo mpisinto-mahery
dia mody tsy mijery
fa raha vao hitany fa variana
dia sotominy avy aoriana
na pôketra io saky
dia sotominy tena mafy

Sokajy : Fiaraha-monina

Hevitra mandeha

tononkalokanto2017 (19/12/2017 23:24:40)

Tena marina ny tononkalonao
ary ianao mahay manoratra be
tohizo fa tsara ô

Hametraka hevitra

Midira aloha