Torimasom-pitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Torimasom-pitiavana

Efa be ireo nitory,
Fitiavana tamiko:
Saingy mbola natory;
Ny fitiavako rahavana,
Tsy nisy tiako akory
Tsy nisy mba laniko
Ireo ilay lehilahy
Nitory fitiavana

Kanefa izao
Taitra ity foko
Izay tia anao
Raha iny ianao nisoko
Naniry ny hitoetra
Anilanao foana
Ny amiko rehetra
Mandavan-taona

Toy ireny tapa-kofehy
Toy ny omby ao ambala
Nandrava ireny fefy
Toa mamaky vala
Fa tojo malala
Tiana indrindra
Ka iray tsy afindra

Tany aminao
No niantsampazany
Izay tia anao
Taitra ny fitiavany
Ka asakasakao
No mandinika sisa
Na ho fijaliany
Na ho paradisa

Fa ianao no tiany
Ianao no laniny
Ianao no niriany
Ianao no ankaniny
Voalohany ianao
No mitoetra ao ampony ao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1536 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124