Tsiambara-telo (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiambara-telo

aoka antsika samirery
ny ho setry ny izany
manginà, aza miteny
fa aoka antsika roa ihany
aza avela hisy hahalala
aza avela hisy ahafantatra
fa na ireo mpankahala
aza misikotra fatratra

aoka tsiambarambara
fa antsika ilay tantara
ka fero mafy ny vava
mba tsy hitabataba
fa sao hisy hahalala
ireo mpankahala

na fahoriana aok'izany
no niainana tamin'izany
dia aoka ho anao irery
fa aza miteniteny
fa miezaha mba sariaka
na dia nisy rà nandriaka
aleo tsiambara-telo
aza mamerovero

aoka ianao ihany
no hahalala an'izany
hoe nampijaliana
sy nampahorian'ny tiana
fa aza avela fantatr'olo
ireo lasa bobon-golo

aoka izaho ihany
no hahalala an'izany
izay zavatra natao
ka natonga anao nandao
fa tsy tiako fantatrao
hoe nampirafy anao aho
fa aleo tsiambara-telo
havela hamerovero
--------
Rohy:
945 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158