You are here: home > Vetso

Tsiaro - Nalison Randrianaivo

Tsiaro

Toa tsaroako izaho sy ianao
Iny takariva mena masoandro iny
Ilay malaina ny hifandao
Tsy mahatsiaro hirifiry

Na ny rivotra mifofo aza
Tsy rehin-tsika akory
Teo an-tratran'ny malala
Ndry! Dia resi-tory

Tsy tsaroana intsony ny fodiana
Mamy loatra tsy te iala
Eo an-tsandrin'olon-tiana
Eo anilan'ny malala

Ankehitriny re tomany
Raha mahatsiaro ireny
Ilay fiarahana tamin'izany
Mbola mamy ombieny

Hametraka hevitra

Midira aloha