Tsiky dia ampy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiky dia ampy

Tsiky dia ampy hiainana
Hanala an'ireo tarainana
Ka raha tojo hakiviana ianao
Ny tsiky re no hampiasao

Raha toa ianao te hitomany
Ny tsiky anie asetr'izany
Fa hisinda ireo alahelo
Ny tsiky no tsiambaran-telo

Raha toa ianao tojo fahoriana
Tsiky ihany re hamaliana
Fa hilefo tsy misy aok'izany
Fa ny Tsiky dia tena mamy

Raha toa ianao miady saina
Ny tsiky ihany re no hampiasaina
Mitsikia anie dia ho itanao
Indro hiova vaovao
Ny fiainanao

Valio tsiky ny fiainanao
Andramo anie dia ho hitanao
Indrindra izay mifafy
Fa tsiky dia ampy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
772 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114