Tso-drano mbola tia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tso-drano mbola tia

Etsy ry malala
Etsy mandehana
Ambarao aminy
Fa ianao no tena maminy
Tsy foiny velively
Ny fony anao irery
Koa ndehana tiavo izy
Aza avela ho kivy
Fa mbola tia anao
Tsy mahafoy anao
Ka sao hamoy fo
Aminao izy iny
Izay tena tia tokoa
Ianao irery no tiany

Etsy ry malala
Etsy mandehana
Vonjeo ny tianao
Fa izaho avelao
Avelao aho ho eto
Mba hisentosento
Hisentosento fara
Hamisavisa ireo tantara
Niainan-tsika fahiny
Ho rava ankehitriny
Koa mitso-drano
Ho anareo roa
Maharena tokan-trano
Mba ho tokan-trano soa
Anie...
Ny tokan-tranonareo
Ho lavitry ny toreo
Tsy hisy disadisa
Fa ho paradisa
Feno hasambarana
Feno fiadanana

Eny...
Fa na dia mbola tia
Aza... Ny foko satria
Dia tsy maintsy afoy
Tantara tsy hitohy
Ny an-tsika ry malala
Fitia manalasala
Ka tsara raha faranana
Fa tsy hitondra fiadanana
Fitia mba niserana
Fitia diso toerana
Koa tsy maintsy zakaina
Tsy maintsy lanjaina
Ny ketoky ny jaly
Hanondraka ny tany
indrindra ireo tomany

Koa veloma re ry tiako
Ataoko fa ampy izay
Fa ny hany fifaliako
Dia ianao ho sambatra amin'izay
Eo anilan'ny olon-tianao
Sy ilay nosafidianao
Hiara-dia aminao
Atao ahoana moa
Tsy maintsy manindry fo
Na dia mbola tia anao
Koa mitso-drano no azo atao
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
2297 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171