You are here: home > Vetso

Tsy ahoantsika - Nalsonrandrianaivo

Tsy ahoantsika

n'inona n'inona hitranga
na hanameloka na hanampanga
dia tsy ahoantsika izany
fa ny antsika ho doria hatrany

n'inona n'inona hiseho
na halahelo na toreo
dia tsy ahoantsika ireny
fa antsika ho doria ombieny ombieny

n'inona n'inona hidona
na ho melohana sy vonona
dia tsy ahoantsika izany
fa fa ny antsika dia tokana ihany

n'inona n'inona hipaika
n'inona n'inona hanjo
dia tsy maintsy mitraka
amin'izay maha voa

n'iza n'iza hanaratsy
n'iza n'iza handrava
dia zakaintsika sy tanty
ary mifankatia lalandava

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha