Tsy anjara (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy anjara

Malala a
Aza tsiny indrindra
Raha toa aho hifindra
Ka hanapaka ny tady
Manao azafady
Fa hiova vaovao
F'efa tofoka sy lao
Ny fitia kilalao
Teo anilanao

Aza omena tsiny
Fa hanadino ny fahiny
Hamafa ireo lasa
Ka aza arahin-datsa
Fa tantara tsy hitohy
Ka aleo re afoy

Aza arahin'alahelo
Ireo tsiambarantelo...
Tsika roa taloha
Satria ho foana avokoa
Ka vonoy ny anarako
Fa ianao tsy anjarako

Hadinoy ny momba ahy
Mitadiava vaovao
Hasolonao ahy
Sy ho tena tia anao

MahitĂ  izay iriana
Mba tojo ilay tena tiana
Ka tsara tso-drano
Maharena tokatrano

Ny antsika tsy anjara
Fa mifandany zara
Ka aleo ho faranana
Fa tsy ahitana fiadanana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
1996 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1094