You are here: home > Vetso

Tsy handao - Nalsonrandrianaivo

Tsy handao

Malala a. Tena tiako ianao
Ary izaho tsy handao
Na fahoriana na fijaliana
No hiainanao
Dia izaho tsy handao

Eny, fa na mangidy tena mafaitra
Tsy jereko izay takaitra
Fa izaho foana anilanao
Ary izaho tsy mba ho lao anao
Tsy handao anao

Vonona aho hisedra
Hamaha izay mangeja
Vonona tsy ho lao
Hankatoa anao
Ary tsy handao

Amin'ny zavatra rehetra
Tsy voafaritra sy tsisy fetra
Dia vonon-kanaja anao
Ary tsy handao

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha