Tsy ho rava (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho rava

Mafy orina akia ry malala, Ity lampan'ny fitiavan-tsika
Tsy rodan'ny mpankahala, Sy ireo izay tsy tia an-tsika
Toy ny trano tsara fototra, Voarafitra tsara rindra
Tsy ho zary tendro-molotra, Fa fitiavana tsy hay afindra
Tsy hay ozongozonina, Tsy hay ho ravana satria
Fa efa tena mafy orina, Tsara faka ilay fitia

Nandalovan'ny rivo-doza, Nandalovan'ny tondra-drano
Nandalovan'ireo loza, Nandalovan'ny angano
Saingy tsy rava fa toa, Tsisy rimbina na kely aza
Ilay fitiavan-tsika roa, Tsy lefy tsy lefy laza
Nandalo teo daholo, Ireo mpialona ny fitiavanay
Ireo mpifosa manontolo, Sy ireo mpaneso ny fiarahanay
Saingy tsy ravany akory, Tsy potiny velively
Ka indro tsy hita intsony, Fa naleo nipetraka fotsiny nijery

Toy ny lamban'akoho akia, Ilay fitiavako sy ny anao
Aina no fetram-pitia, Faty no hisarahana aminao
Ka ho sasam-poana foana, Ireo izay mitady hamingana
Fa ianao tiako foana, Isika doria hifamihana
Tsy ho rava na iza na iza, Ny lampan'ny fitiavanay
Fa dia ho reraka eo izy, Fa ny anay mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1224 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161