You are here: home > Vetso

Tsy mendrika ho anao - nalsonrazakariasa

Etsy kely angie hafarako
adinoy ny anarako
fa tsy natao ho anao
ny vevavy toy izao

mavomavo toetra
maloto sy voretra
ratsiratsy fiakanjo
iray volana vao mandro

sady misimisy fofona
ny nify tsy vao brosiny
ny tongotra maloto
ny vatana tsokoko

tsy mendrika ho anao
izahay olona toy izao
fa ny anay rehefa matory
tsihy fa tsy mba kodoro

ka tsy natao ho anay
ny fandrina misy lay
izahay resiny fiainana
tsy azo hitarainana

ko tsy mendrika ho anao
raha miara-miaina toy izao

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha