You are here: home > Vetso

Tsy misy mahavita tena - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Tsy misy mahavita tena

Sahy milaza ianao fa mahavita tena?
Tsy mba mila fanampiana akory
Eny e, anananao tokoa aloha ny harena
Dia mihevitra ianao fa tsy mba ho ory?

Ka miliba sy manjaka ny herin'ny vola
Mibaiko fotsiny ianao dia mampiasa
Satria mahatoky tena fa tsy mba ho sola
Dia ho lavorary avokoa izay kinasa

Tsarovy anefa fa ny fiainana an-tany
Dia kodiaran-tsarety mihodina foana
Mety ianao ambony mety ianao ambany
Miovaova eny mandritry ny taona

Ka teny ihany no hany atsipiko aminao
Tsy misy olona mahavita tena izany e
Mila olona foana ianao hanampy anao
Tsarovy ny aina dia manam-petra ihany

Nalison Randrianaivo

Hametraka hevitra

Midira aloha